NY FITIAVAKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAVAKO

Toy ny raozy mena loko
ny fitiavana ato am-poko
lokon-dio, lokon'afo
dia fitia mitafotafo

Manimanitra toa raozy
fa fitiavana be daozy
natokana ho an'i Lala
tsy natao hihoatra vala

Toy ny raozy an-jaridaina
izay mamelombelona aina
mahamiramirana endrika
ilay fitiavako mandrendrika

RFE Andria - 08/09/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1190 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 08/09/2016 12:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157