NY FITIAVANAO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAVANAO

Na ny raviny halazo
Na ny voany tsy ho azo
Ny fitiavanao mahay
Mampitsimoka azy indray

Na hitresaka ny vato
Ka ny rian-drano hiato
Ny fitiavanao hamorona
Renirano safomorona

Na ho ripaka ny ala
Na hirodana ny vala
Ny fitiavanao no hery
Hanarina indray ny very

Na hatevina ny rahona
Na ny fiainana ho vahona
Ny fitiavanao mbola eo
Hampitsahatra toreo

Tsiky Arofanina – 27/12/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1278 2
Mpakafy: Rah Wence's - mi2015
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 27/12/2015 13:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016