NY HARON'NY MPANJIFA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HARON’NY MPANJIFA

Ny haron’ny mpanjifa, avia anie jereo
Nentiny niantsena vao maraina aninkeheo
Dimy arivo ariary no nentiny ampiasaina
Hividianana sakafo mba hamelomana aina
Dia nivezivezy teny, nanketsy nankeroa
Nanontany vidin’entana fa mba ho aiza moa
Ny hena aloha tsy takatra, lafobe izaitsizy
Raha tsy hoe atokana ho an’ny ankizy
Izany legioma izany toa hoe nisondro-bidy
Na ny tsirony aza izao tena toa tsy tadidy
Ny akoho sy ny trondro, dia nofinofy sisa
Mainka moa ny vorona, ny gana sy ny gisa…
Hany azony atao sady tsy mampiasa saina
Dia nividy anandrano, afangaro voamaina
Izay no mba takatry ny dimy arivo ariary
Zara misy hohanina aza na dia tsizarizary
Ny haron’ny mpanjifa, avia anie jereo
Nentiny niantsena vao maraina aninkeheo
Fa tsy feno akory na dia ny antsasany aza
Maha-te hitroatra, hihiaka, hivazavaza…!

O! ianareo mpitondra sy ianareo mpampiasa
Ianareo no andrandraina mba hamadika ny rasa
Ny hoavin’ny vahoaka mba ho tsara noho ny lasa
Ny karama hahavelona ary ho tena tambin’asa

RFE Andria – 03 febroary 2015
--------
Rohy:
647 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 05:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109