NY LALANTSIKA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LALANTSIKA

Tetsy Ambohitsilazaina ny lalantsika no nihaona
Velon-kira ny tontolo, vetso hamaky lohataona
Hampidify ny ririnina manjombona sy mangatsiaka
Teo ny lalanao sy lalako no tafaray ho lalantsika

Alofan’ala maitso mavana, tontolo maha te-hizaha
Ravaham-bony soa sy kanto maniry ery an-dohasaha
Eny an’habakabany eny feno siokam-boronkely
Ny tsio-drivotra malefaka moa va tsy feon’anjely!

Moa iny lalantsika iny, tsy lalan’ny fanantenana
Mitondra tsiky vaovao, mamelon’aina, mahatamana?
Nefa toerana aiza ho aiza no mba tanjona itodiany?
Vohitra hisambarantsika: izany hono no irariany…

RFE Andria
21/08/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
759 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 06:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148