NY SORATRO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SORATRO

Na ny vavako hampanginina
Ka hozairina ny molotro
Na tsy hanan-kovimbinina
Io ny soratro atolotro

Na ny masoko hotampenana
Tsy avela hijery koa ny misy
Na ny tenako hambenana
Io ny soratro hanitsy

Na ny tongotro hofatorana
Tsy hitsikara-baovao
Na ny tenako hototorana
Io ny soratro tsy handao

Fa ny soratro ray olona
No fiadiana am-pelatanako
Solom-basy enti-mitolona
Ho an’ny marina tohanako

Tsiky Arofanina – 28/10/2015
--------
Rohy:
Sokajy : ahy
1008 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 28/10/2015 07:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155