NY TONTOLO ANDROKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TONTOLO ANDROKO

Ny maraina vao mifoha
Dia ianao no ato an-doha
Rehefa miarina avy teo
Tsy miova ny miseho
Ianao foana no ato an-doha
Mandritra ny sakafo koa
Raha mbola eo am-pandroana
Sy avy eo am-piakanjoana
Eny an-dalana hiasa aloha
Ianao hatrany no ato an-doha
Mandritra ny fotoam-piasana
Dia tsy natao igagana
Fa am-panahy, sy ao am-po:
Ianao ihany no ato an-doha
Mandritra ny tontolo andro
Maraina, hariva sy atoandro
Isaky ny segondra roa
Dia ianao no ato an-doha
Tonga ny alina ka hatory
Tsy misy miova tsy akory
Hatrany anaty torimaso
Ny nofy izay manasohaso
Dia anjakanao avokoa:
Ianao foana no ato an-doha
Asa ahoana re Malala
Tsy hoe sangy, saina adala
Tsy misy ataoko izay miandoha
Raha tsy ianao no ato an-doha

RFE Andria – 20/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
800 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 06:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153