OAY ITY 'TY! (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OAY ITY ‘TY !

Oay ity ‘ty !
miseho ho be mpankafy
nefa maharikoriko ery
mampiesona anay ety

Oay ity ‘ty !
rain’ny demagôjia
manao ronono an-tavy
hay ka hevitra mamosavy

Oay ity ‘ty !
tena tia miriaria
nefa tsy hita izay zava-bita
afa-tsy ny mikitakita
*****
Oay ity ‘ty !
ny vahoaka izao mihamahia
‘ty kosa toa be fitaky
fiara raitra malakilaky

Oay ity ‘ty !
nilaza ho tia doria
dia nilatsaka ho solombava
hay mailaka ny handrava
*****
Oay ity ‘ty !
raitra raha ny soradihy
saingy anatin’ny zato andro
tsy mahamasaka ny nahandro

Oay ity ‘ty !
fivoriana etsy sy ery
ny firenena anefa gisitra
mbola tena mihisitrisitra
*****
Oay ity ‘ty !...

Tsiky Arofanina – 11/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
907 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 11/11/2015 16:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146