RAHOVIANA...? (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHOVIANA...?

Ny eto amintsika ho'aho lehiretsy
misy te ho fetsifetsy:
na ny kely na lehibe
efa tena mampihomehy
f'izy izay tsy tan-dalàna
no milahatra ao an-tanàna
te hampanjaka ny ao an-tsainy
ny ho azy ihany no ilainy
dia mitaky ny fialàn’
ireo mpitondra fanjakana
izay nofidian’ny vahoaka
dia eo no mihoakoaka…

Rahoviana vao hivoatra?
Mba rahoviana loatra
vao tsy hanindrahindra intsony
fankahalana, lonilony
fa mba ny fampandrosoana
no ho tena himasoana?
Very hevitra aho lehiretsy
f’isika Gasy toa mihamiletsy
variana mifanonganongana
nefa ny fiaina-mitontongana…

RFE Andria – 25/08/2016
--------
Rohy:
1061 1
Mpakafy: arofanina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 25/08/2016 11:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162