RAY BE FITIA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAY BE FITIA

Andriamanitra ô! nahoana?
-hoy ny saiko lasa foana-
nahoana ho'aho no fijaliana
aretina sy fahoriana
ny isan'andron-janakao?
Moa Ianao efa nandao
tsy te hijery azy akory?
Sa Ianao mbola matory?
....
Anaka!
henoy Aho ka matokia:
Izaho Ilay Rainao be fitia
eo anilanao hatrany
indrindra ianao raha tomany
Impiry akory moa Aho, impiry
-rehefa ianao mangirifiry
noho ny vokatry ny ankaso-
no namaoka ranomaso!
Ny fitiavako banjino
dia ny tanako fihino
fa aza ianao mihafihafy
rehefa tojo ady mafy
Ka ireo Teny Fikasana
eo an-dàla-maha ana
no ataovy eo anoloana
sy ivelomy amim-pinoana
....
Andriamanitra ô! ekeko
ny fitondranao ahy hatreto
na tsy ho fantatro akory
ny antony izay mampahory
Ampianaro ary aho androany
hifikitra Aminao hatrany
tsy hiherikerika aho satria
Ianao Ilay Raiko be fitia!

RFE Andria - 13/09/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
831 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 13/09/2016 16:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158