REDIREDIN-TOKAN-DRERY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REDIREDIN-TOKAN-DRERY

Misasakalina misesy
taitra irery aho lehiretsy
Jalim-po, fahoriana:
tsy hita izay itomaniana

Aiza re ny fanafody?
Sao izao no atao hoe tody
dia ilay todim-pitia
mampaharary, mampahia?

Any mantsy ianao izay,
izaho aty mangaihay
singan'olona, toa very
mirediredy tokan-drery...

RFE Andria - 18/10/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona - fiainana
1237 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 17/10/2015 23:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.246