Ampidiro aloha ny tenimiafina
RY FANADINOANA (RFE Andria)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry fanadinoana….Mba aiza ho aiza ry fanadinoana
No mety ahitana izany endrikao?
Fa ankehitriny aho tsy manam-pinoana
Kanefa maniry ny hahita anao.
Ataoko ahoana ny ho fanadino
Ireo lasa rehetra: mangidy sy mamy
Tsaroako ao an-tsaina toa mirimorimo
Ka n’inon-katao, tsy afaka ihany?
Nefa mahagaga f’ireo zava-drehetra
Tsy tiako hohadinoina, tsy mety an’izany;
Ka hany mba heriko dia manjoretra
Mizaka ny ngidin’ny fiainana an-tany.
Ry fanadinoana! Ry fanadinoana!
Izao no mba iangaviako indrindra:
Izay tiako hohadinoina no aoka ho foana
Fa ny sisa rehetra dia aoka hirindra!
RFE Andria
--------
Rohy:
