RY FIAINANA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FIAINANA

Dia izao tokoa va re no antsoina hoe « fiainana » ?
Feno fanaintainana…
Isan’andro fijaliana, fahoriana, fihafiana
Dia rano tsy tiana
No tsy maintsy gohina hatramin’ny fara faikany
Izay no paikany…
Raha vao kely mba mihiratra ny masoandrom-pifaliana
Dia tsenain’ny hakiviana…
Mba nataoko ihany ny hoe : nosetraiko fitsikiana
Tsy noraharahiana
Fa vao mainka koa manetoka ka mampikaikaika
Mandany haika…

Eny iky ry « fiainana », toa anarana mandatsa
Ts’isy patsa
Izato anarana isalorana sy entinao isehoana
Eto anoloana…
Nefa SANATRIA ahy ny hilavo lefona na izany
Tsy androtsahako tomany
Fa vao mainka ikirizako sy amondronako hery
Anaovako vy very
Mainka manatanjaka ahy izay tsy mahafaty ahy anio
Na toy inona tadio…

RFE Andria – 15/04/2015
--------
Lien:
Catégorie : Hambom-po - fiainana
988 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 15/04/2015 10:36
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016