SAINGY... (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)


Saingy…
Tena diso aoriana loatra izato fanazavana
Fa efa an’olona ny foko, efa lasa fa tsy tana
Efa manana olon-tiana aho ary tia sy tamana
Ny fitiany nosokafany ho ahy midanadana

Ka na dia toa mahaliana aza ireo tsiambaratelo
Sy mandona ny fanahy, ny ao am-po mamelovelo
Aza tsiny raha toa aho ka tsy hanongilan-tsofina
Tsy tsara ny manao fitan-droa fa mety hahakofona
Ny visavisam-pandaharana atolotrao dia manaitra
Toa mamy raha jerena, toa tantely tsy hafaitra

Saingy…
Efa ampoka fitia raha izaho sy ilay Malalako
Ka tsy afaka hampirafy ity fo kely adalako
Efa mianoka hasambarana ao an-tsahan’ny fitia
Koa aza tsiniko, aza fondro, tena azafady akia

RFE Andria – 30/06/14
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
601 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 09/02/2015 06:20
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148