SAMBATRA ! (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBATRA !

Sambatra! eny koa raha sambatra
Ny fanahy roa miray, mitambatra
Fa migoka, mianoka fitia
Maharitra, tsy ho lefy doria…
Sambatra ianao nahay nanadino
Nandidy ny aloka hisintaka sy mino
Hoavy izay mirindra sady kanto
Hasambara-lalim-paka sy milanto
Vinany diso tokoa ny azy, niheverany
Fa tapitra ny anjaranao, noferany
Ka ny ranomasonao nijohy, tsy ho ritra
Fa hanaloka hatrany, hampisitra
Ireo toera-nitosiana teto aloha
Nofafanao tsy ho voarakitra ao am-po
Ireo fotoana nitosiana kosa indray
Dia navalombalonao mandrakizay
Fa fiainana mitohy tokoa ny anao
Fiainana sy hasambaram-baovao
Mahaleova, mahalasàna re rahavako
Isan’andro, izay no ambentin-tonom-bavako
Mianoha ny tena hasambarana
Fifaliana avy ao anaty, tsy mifarana
Hasambarana voizin’ny fanahy
Lavitry ny sento, ilaozan’ahiahy

RFE Andria – 03/05/14
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
642 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 09/02/2015 06:29
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147