SAMBO MPIADY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBO MPIADY…

Iny sambo izay nandao ity seranako iny
Rahoviana no hiverina aorian’ny fitodiany
Aman’andro maro, amam-bolana, aman-taona ?
Lasany any mantsy ny fo, fanahin’ito gaona

Mpandeha firifiry no hiondrana eny amboniny ?
Seranan’iza avy koa no mbola hiantsonany ?
Tsy azo nofefena tokoa ianao r’ilay samboko
Hany heriko nitafy, nanamafy koa ny hamboko

Izaho koa mba handray sambo maro isan-karazany
Na ny vao tsy an-traikefa, na ny efa manana ny lazany
Dia hokarakaraiko ireny, hotsidihiko ny atiny
Ny fahaizako rehetra no hasaiko hampirongatiny

Fa ilay samboko efa lasa dia ahiako tsy himpody
Sanatria tsy manozona na hoe koa miantso tody
F’izay ny momba azy amin’ny maha sambo mpiady
Ka aleoko dia miomana toy izay hangadihady…

RFE Andria – 21/03/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1010 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 21/03/2015 12:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152