Ampidiro aloha ny tenimiafina
SANGANEHANA (RFE Andria)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SANGANEHANAPapango nipaoka tsy misy
Lasa niery ny zanaka akoho
Tany foana no sisa vantanina
Voromahery nanantena haza
Nilaozan’ny zana-domohina
Hany hery nody any am-bohitra
Saka niremby totozy
Nanaovan’ilehio ankisitrika
Nangaina nilalao rambo
Zaza nandeha nilalao
Nanantena hahita namana
Nilalao vovoka irery
Niandrandra fitia vaovao
Fa kofona nisambo-drivotra
Sakodiavatra fa sanganehana…
RFE Andria – 15/03/2015
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - Aingam-panahy
