SERANA... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SERANA…

Raha sanatria miselontselona ilay rivotra mpandrava
Dia iangaviako ianao : ny tsiaron’ny fitia atao ranolava
Ary ilay fitiavana voalohany no ataovy tanisa sy litania
Mba hamelomana azy indray ho mandrakizay doria

Dia ny vavaka mafana koa no ampiakaro isan’andro
Dieny raha vao mifoha mandra-podin’ny masoandro
Aoka tsy hatao kinanga fa ho tena rivo-piainana
Fa izany ihany koa no hanalefaka ny fanaintainana

Ny adidy amin’ny ankizy sy ny hoaviny jerena
Fa raha sanatria tsy ho eo re ny rainy, hahonena
Mafy koa raha samy mafy ny kamboty velon-dray
Ka tandrovy ny fitia , areheto ny afony hamaivay

RFE Andria – 29/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
667 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 06:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149