SETRINY... - RFE Andria
Azo vakiana?
SETRINY...
Ritra irony hehiko
Foana koa ny tsikiko
Nanaovan’ny ankaso
Sompatra ny tenako
Ka zary ranomaso
Sy fatran’alahelo
Sisa no tavela
Tsy satriko zaraina
Aminao rahavako
Ka naleoko niery
Nanepoka tsy hita
Tsy ho mandrakizay
Fa mandra-pisindan’
Ny raho-mitatao
Toky no omeko
F’izaho tsy nandao
Ny foko sy ny saiko
Ary ny fanahiko
Miaraka aminao
Mbola eo anilanao…
Izany moa akia
Fa mba mitsikia!
RFE Andria – 04/01/2016
Sokajy :
Fampaherezana, Namana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 04/11/2016
Mpamangy : 790
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA