You are here: home > Vetso

SOAMAHAMANINA - RFE Andria

Azo vakiana?

SOAMAHAMANINA

Anarany, eny, sisa
no an'ilay tanàna
fa vahoaka tsy hita isa
no atao izay tsy hahatamana
Robaina ny taniny
alaina ny fananany
potehina ny akaniny
gadraina koa ny zanany
Vahiny ao no manjaka
arova-miaramila
ny Gasy indray voadaka
mizàna voatsindry ila

Anarany, eny, sisa
no hoe Soamahamanina
Rafanja mody gisa
manao izay hahafanina
Izany ve? satria
narovan-tsy ho ngazana
Ny mponina ao dia tia
tia ny tanindrazany

RFE Andria - 03/10/2016

Sokajy : Tanindrazana

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : arofanina
Daty : 03/10/2016
Mpamangy : 1080
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA