TAHIO RE RY RAY ! (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAHIO RE RY RAY !

Ireto mpifankatia izay hanorin-tokantrano
Hamasino fikasana, ny fiainany tantano
Ho tokantrano sambatra misarim-paradisa
Anjakan’ny fitiavana, lavitry ny disadisa

Mba tahio re ry Ray ity tokantrano vao
Ho loharanom-pitahiana, ho voninahitrao
Hitaratra ny fiainan-danitra, arovan’ny anjely
Ho tokantrano soa, dieny izao ho modely

Hamafiso ny fifankatiavan’ny tia sy ny tiana
Mba harahin-jazalahy sy zazavavy izay iriana
Ampianaro fandeferana, tsy ho tia faniniana
Hahay hiaritra ny mafy ao anaty fitsikiana

Tokantrano fiomanana ho any an-danitra
Ka fiainam-bavaka no manemboka manitra
Tokantrano eo ambany fitarihan’i Kristy
Tokantrano mahasambatra hatraty ka hatrary

RFE Andria – 12/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fanambadiana - Vavaka
1274 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 12/07/2016 16:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147