TALAHO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TALAHO

Tompo o! italahoako Aminao ireo zanako ireo
Fa henjan-doatra ny aniony toa dia mampitoreo
Ny ampitsony tsy takatro fa dia toa manjavozavo
Ankiniko Aminao ireny, dia Aminao ry Rainay Avo

Italahoako re ry Ray, izireo iangaro kely
Fa ny fitaizako azy tsy tontosa velively
Fa irery aho no nitaiza hatramin'ny nahalasanan-dreniny
Tsy voakomboko ny ratrany, tsy voasitrako ny feriny

O! ry Raiko be fitia, ho azy ireo no italahoako
Iandrandrako any Aminao amin'ny mason'ny finoako
Iangaro kely re ny fiainany dia tsinjovinao ny diany
Vahao ireo olam-piainany, tovinao ny faniriany

Tsiky Arofanina - 02/12/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
926 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 02/12/2015 05:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157