TANKINA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANKINA

Te hanoratra ho anao aho re ry aiko
Hilazako ny ao am-po sy ny ao an-tsaiko
Te hanoratra ho anao aho ry Malala
Hamboraka fitia ts’isy sahala
Saingy vahotra ny peniko ary sina
Hany heriko dia mitia anao mangina…

Te hanoratra ho anareo aho ry namako
Dia ho anareo mpiara-dia sy akamako
Nefa izany ranomaintiko toa ritra
Toa malaina hikoriana fa maditra…

Te hanoratra ho anao aho ry Fireneko
Hidradràko izay mba hitako sy reko
Indrisy anefa fa toa lasa sary moana
Sisa vitan’ilay peni-babangoana…

Dia antsoiko ary ny telepatia
Izy no iangaviako hampita ny fitia
Fa tankina ny soratro androany
Ka tsy mety anankinana an’izany…

RFE Andria – 09/02/15
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
600 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 05:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149