TENINDRAZAKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENINDRAZAKO

Tiako ianao ry Tenindrazako
Rehareha sady lazako
Fa hany teny izay filazako
Hatramin’ny fony fahazazako
Irony fihetseham-poko
Izay nameno sy nandoko
Ny tontolon’ny fiainako:
Ny hafaliana sy tarainako…
Ilay aho nianatra nibada
Dia nanonona hoe “dada”
Sy niangotingoty hoe “neny”
Teny Malagasy ireny!
Ary fony vao nifoha
Dedaka sy bohaboha
Ilay foko vao nitia
Teny mamy, teny fy
Dia ny Teny Malagasy
Madio tsy nopentenin-tasy
No nentiko nanambarana
Toa tsy hanam-piafarana
Ilay afon’ny fitia
Tato am-poko faly ery…
Ary,
Moa tsy teny avy aminao
Teny Gasy tsotra izao
No namoronana ny anarako
Dia ireto izay ambarako?
Anarana mamelovelo:
“Andrianaivoarivelo”
Izay nampiana koa hoe “Fidy”
O! ry Teny sarobidy
Ianao no vy nahitana
Fantsona izay nampitana…
Ka lalaiko sy andrianiko
Ianao ry teny mamiko!
Eny, hasandratro ambony
Tsy hozimbazimbaiko intsony
Amin’ny teny afangaro
Sy fanafohizan-teny maro…
Tsy iray volana ihany
No hanaovako izany
Mandritra ny fahavelomako
Ho amin’izany no itolomako…

RFE Andria – 05/06/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Tenindrazana
1178 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/06/2015 06:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159