TEZITRA... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TEZITRA...

Ny kotroka mirefotra
Ny varatra mipoaka
Ny lanitra mitsefotra
Mitrero-misafoaka

Masiaka ny tontolo
Andrao tsy avy miaina
Ny valiny bontolo
Noho 'reo tsy misaina

Doroy ihany anie
Ny ala sy tanety
Dia ho hita sy ho re
Fa ho avy ny tsy mety

Ary dia tanteso
Ny fahatezerany
Arahin-datsa sy eso
F'izay no fanonerany

RFE Andria - 21/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
1521 0
Hevitra mandeha
Rah Wence's ( 07/07/2016 10:40)
Tsara be
arofanina ( 09/07/2016 04:38)
Misaotra nankafy !
arofanina ( 09/07/2016 04:38)
Misaotra nankafy !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 21/11/2015 15:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147