TIAKO - RFE Andria
Azo vakiana?
TIAKO
.
Tiako ny eo anilanao
Mampanadino tsotra izao
Ny ahiahy sy sorisory
Rehefa ilay miara-matory
.
Tiako be ireo safosafo
Tsy ahatsiarovana sakafo
Arahintsika tositosy
Mahasambatra mandrotsy
.
Tiako koa ireo orokoroka
Sangisangy toa sakoroka
Fanaontsika ao am-pandriana
Ianohana ny hafaliana
.
Tiako! Tiako! eny, tiako!
Satriko! eny, faniriako
Ho eo foana tsy hiala
Ry ilay vadiko malala
.
Arivelo.02.01.2017
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 04/05/2017
Mpamangy : 741
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA