TIAKO KA HAJAIKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
A) TIAKO KA HAJAIKO

“Aza manontany hoe tiako ve ny teniko
Fa ny voasoratro tsy mbola nisy neniko
Tsy àry ho voasoratra amin’ny finday
Rehefa azo ny hevitra dia efa izy izay
Izahay tsy maka L fa kosa maka mora”
Izany no lazain’ny mpanoratra tanora

Kanefa anie jereo, diniho dia lazao
Amin’ny saina marina, avia mba tsarao
Ny aiza no manaja ny tenindrazanao
Ny fitsipi-pitenenany, ô mba ambarao
Ny aiza no manaja koa ny abidia
Lazao tsy an-kihamba: ny “A” sa ny “B”?

Rehefa voatsara (ny valiny efa haiko)
Dia tapaho ny hevitra: “tiako ka hajaiko”


B) TIKU K AJAIKU

“Az manuntan oe tik ve n teniku
Fa n vuasuratr ts mbul nis neniku
Ts àr o vuasuratr @ finday
Rhf azu n evitr defa izy zay
Zaay ts mak L f kus mak mura”
Zan n lazain’n panuratra tanur

Kanf ne jerw, dinihu dia lazw
@ sain marina, avi mb tsarw
N aiz n manaj n tenidrazanw
N fitsipi-pitenenany, ô mb ambarw
N aiz n manaj ku n abidi
Lazw ts akiamba: n “A” s n “B”?

Ref votsar (n valin ef aiku)
D tapao n evitr: “tiku k ajaiku”

Tsiky AROFANINA – 14/07/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Tenindrazana
1397 1
Mpakafy: jaonarizaka2015
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 14/07/2015 15:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151