TIAKO RAHA... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO RAHA…

Amin’izato vaninandron’ny ririnina mamirifiry
Tiako raha ny orokao, tsy tanisaina hoe impiry
No hamonto hatrany anaty tosatosak'hafanana
Ny oroky ny molotrao no hany tena manafana

Eto an-dalan’ny fiainana isan’andro izay diaviko
Tiako, eny satriko raha ianao no hosakambiniko
Hiara-dalana amiko, hiara-hanorina ny hoaviko
Dia fifaliana sesilany avy aminao no hovimbiniko

Rehefa tonga indray ny alina ka hamangy izany nofy
Tiako raha ianao ihany no hanjaka ao manontolo
Handrotsirotsy torimaso, hanasitrana ireo rofy
Hamongotra ny ahi-dratsy izay navelan’ny tontolo

Tiako raha ianao foana no mameno ny fisainako!
Tiako raha ianao mihitsy no ho mpanjakan’ny fiainako!
Tiako raha izaho sy ianao no hiaraka doria!
Tiako raha ianao ihany no hampianoka ahy fitia!

RFE Andria – 13/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
832 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 08:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017