TONGAVA ATY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONGAVA ATY

Eto am-pandriako amin'ity misasakalina
No ivetsoako irery sy isentoako lalina
Mitazana avy eto am-baravarankely
Ny endrikao an-danitra misarina anjely...

Tokoa mantsy ianao tsy eto ankehitriny
Ka an'eritreritro manasa anao hivahiny
Hamangy izato nofy zary lasa fotsy
Meteza re ianao ho avy handrotsirotsy...

RFE Andria - 17/10/2015
--------
Rohy:
Sokajy : embona
855 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 17/10/2015 06:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0289