TONGAVA SOA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONGAVA SOA

Any ilay Malalako,

Raha ianao ilay nanambara, nilaza ho avy sy handalo
Dia niontana ny foko,
Foana teo koa ny toloko
Ary niala teo amin’ny endriko ny alahelo nampimalo

Raha namaky ny hafatrao aho dia akory ny haravoako
Tena faly, miramirana
Adinoko izay nanahirana
Fa toa hitako sahady, azo an-tsary ianao am-pofoako…

Tsy andriko ny hihavian’ny ampitso nanomboka omaly
Tsindrian-daona be ihany
Mainka hanao ahoana izany
Rehefa mihaona isika roa! Ho sambatra fa afa-jaly!!!

Tongava soa Malala an!
Sasa-miandry ilay tia anao

RFE Andria – 04/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
720 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 08:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152