TRA-BOINA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TRA-BOINA

Mitaraina
Ireo tra-boina
Fa mangaina
Fitsaboana
Fanampiana
Zara misy
Fijaliana
No kalisy
Dibo-drano
Ny eny an-tsaha
Na ny trano
Dia raharaha
Ray sy reny
Very asa
Ka manjeny
Vasavasa
Ny any atsimo
Main-tany
Mirimorimo
Aok’izany
Mosarena
Ny vahoaka
Mivembena
Ts’isy apoaka…

O! ra-Fanja
Mba jereo
Mihanjahanja
Izireo
Mila tanana
Hanampy
Ny fananana
Tsy ampy

RFE Andria – 05/02/15
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina - fiainana
704 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 09/02/2015 08:26
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152