TSI-FISIANA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSI-FISIANA

Mifofofo ny tafiotra
Dia toa lasana niriotra
Hatramin’iny habakabaka
Nangadihady toa lavaka

Maneno sahona ny atsy
Mitaraina lany vatsy
Mikaikaika ny eroa
Zary lasa ambiroa
Ny ao avaratra tsy hita
Hay ka tena tsy tafita
Rizareo avy ato atsimo
Misangodin-toa tandrimo
Na ny avy ao atsinanana
Zara raha mahita anana
Ny ao andrefana indray
Ataon’ny fahantrana fay
Tsy misy intsony ny hohanina
Ataon’ny tsi-fisiana fanina
Very hevitra ny maro
Saranga rehetra mifangaro
Te hihoitra anefa, saingy
Torana mandraingiraingy
Tsy misy izay fanantenana
Fa efa reraka sy ana

O ! Ra-fanja ! O ! Ra-fanja !
Efa hipoaka ity ny vanja
Arehitry ny tsi-fisiana
Sao ianao mbola variana

Mifofofo ny tafiotra
Dia toa lasana niriotra
Nindaosiny any ny hafaliana
Nosoloiny fihafiana
Izay mitera-pijaliana…
Tsi-fisiana ! Tsi-fisiana… !

RFE Andria – 01/04/2015
--------
Lien:
Catégorie : Fahantrana - Fiaraha-monina
957 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 01/04/2015 16:40
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016