You are here: home > Vetso

TSIAHY - RFE Andria

Azo vakiana?

TSIAHY

Neny!
toa tsy hitako izay teny
entina atao amboara
no sady koa tsy hangidy fara
ho amin'ity andro anio
satria tsiahy toa tadio
no mitambolona ato an-tsaiko
ho fisaorana ny raiko
na tsy ho aza ny fety
sy fanomezana arenty
sy adera etsy sy eroa
zava-kanto mahasoa...
Satria ny hany mba tsaroako
- isaorako azy eram-poko -
dia i Dada foana ombieny ombieny
no sady Dada koa no Neny
Mbola kely mantsy aho
ny fahoriana nifamaho
ka nandaozanao ny tany
ho any ambadika any ho any...

Koa aza tsiny re ry Neny
raha toa tsy hitako izay teny
entina atao amboara
no sady koa tsy hangidy fara
ho amin'ity andro anio
satria tsiahy toa tadio
no mitambolona ato an-tsaiko
ho fisaorana ny raiko
satria ny hany mba tsaroako
- isaorako azy eram-poko -
dia i Dada foana ombieny ombieny
no sady Dada koa no Neny...

RFE Andria - 28/05/2016

Sokajy : Fahatsiarovana, Fety

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : arofanina
Daty : 28/05/2016
Mpamangy : 749
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA