TSY AHOAKO (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY AHOAKO

Tsy ahoako izay felaka sy ritsodritsok’ady
Asesiky ny fiainana mila hampandadilady
Fa na mafy toa inona ny afitsony ‘zareo
Izaho tsy hilavo lefona fa hampiaka-peo

Tsy ahoako izay kaikitra fanetoky ny jaly
F’ireny aza setraiko fanahy mifalifaly
Ka na mafy toa inona izany fanaintainana
Izaho kosa hitsiky, tsy hanao fitarainana

Tsy ahoako izay dinitra hikoriana an-tavako
Ho mariky ny ezaka, ny farora-bavako
Fa na tsy ho tohitro ka hampitrosina an-tany
Izaho tsy hanaiky resy fa hitolona hatrany

Tsiky AROFANINA – 09/07/2015
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
896 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 09/07/2015 20:23
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015