TSY ANJARA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ANJARA

Indrisy ! indrisy re rahavako !
Mikoriana eo an-tavako
Ny ranomason’alahelo
Avy ao am-po mamelovelo
Mijojo izy akia satria
Voarara tsy hitia…
Fa ianao toa voninkazo
Soa sy kanto nefa tsy azo
Eny, tsy azoko laingosana
Tsy azoko ilomanosana
Ilay hanitrao manentoento
Zary lasa mampisento…
Manan-tompo mantsy akia
Ny zaridaina misy an-drý
Ka tsy azoko ivelarana
Mirindrina ny varavarana
Tsy ho antsika ny hiaraka
Ka ny mety dia misaraka
Dieny mbola vao miandoha
Ny tantarantsika roa…
Mafy izany fa zakaina
Izany moa ry sombiniaina an!

RFE Andria - 07/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2571 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 07/07/2016 06:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114