TSY ARAKA... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(ady isan'andro atrehin'ny renim-pianakaviana)

TSY ARAKA...

Maro dia maro ireo zavatra ilaina
raha vao mihiratra koa ny maraina
Ao ny sakafo tsy maintsy vidiana
ho an'ny vady sy zanaka izay ahiana
Ny saran-dàlana koa etsy an-daniny
tsy maintsy saininy sady omaniny
Ireo fandaniana tsy azo ialana
ny jiro sy rano efa he! igagana
Ny saram-pianaran'ireto ankizy
tena midangana izaitsizy
Ny fitafiana tsy lazaina intsony
fa mampiady sy maha lonilony
Ny vola miditra anefa manify
tsy ampy herinandro dia efa nidify...

Ireo, isan'andro, no adisanina
atrehin'ity reny efa fanina
Tsy araka intsony ny vidim-piainana
vaka ny sainy ts'isy itarainana
Raha i Rafanja tsy azo antenaina
hamaha ity ady efa tsy eran'ny aina

RFE Andria - 01/09/2016
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
725 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 01/09/2016 16:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152