TSY HAIKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HAIKO

Tsy haiko ny manova ny mainty ho lasa fotsy
Ka handangolango, handainga, handrotsirotsy

Tsy haiko ny hamindra, tsy taitra, moramora
Anefa aho te-hiolomay hanenjikenjika ora

Tsy haiko ny hangina ka tsy hiloa-bava
Kanefa ny ato am-poko misoritra eny an-tava

Tsy haiko ny hanafina ary tsy hikalo
Ireo hira mby imolotro tsy foiko atakalo

Tsy haiko ny ho tony, halamin'ny feon-gitara
Kanefa ny ato anatiko dia misamboaravoara

Eny,
Tsy haiko, tena tsy haiko ny tsy hamboraka amin-dry
Ny ato am-poko manontolo ka hibaboka fa TIA...!

RFE Andria - 30/11/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
752 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 08:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016