TSY HO TANTINY - RFE Andria
Azo vakiana?
TSY HO TANTINY
Mbola hotsarain'ny tantara
ireo mpitondra izay mamarara
fa mivarotra ny tanindrazana
manao izany ho tany ngazana
dia jambenan'ny fitiavan-tena
ka indreo fa mangoron-karena
Tsy tahotra tsy henatra akory
mampiesona sy mampatory
baomba sy basy no apoaka...
Mbola ho tratry ny ampamoaka
Ny vahiny no leladelafiny
fa any no ahitany fafiny
...
Ataovy fa indray andro any
hitroatra ny hasin'ny tany
dia ny hasiny voahitsakitsaka
hirongatra fa tsy hamitsaka
Mbola hotsarain'ny tantara
ireo mpitondra izay mamarara
RFE Andria - 29/09/2016
Sokajy :
Politika, Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 29/09/2016
Mpamangy : 888
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA