You are here: home > Vetso

TSY KILALAO FA... - RFE Andria

Azo vakiana?

TSY KILALAO FA...
Ry dadabenoely
mba henoy kely
ny ahy tsy kilalao
no angatahiko f'izao:
Fitiavana miavosa
fitiavana misosa
tsy voasakantsakana
kanto toy ny vakana
hoentiko mianjaika
fitiavan-tsy re tsaika
fa lavitry ny olana
tsy misolantsolana
fitia izay mifamaly
toy ny vao omaly...

Raha azonao atao
dia io no tanteraho!

RFE Andria - 25/12/2015

Sokajy : Fety, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : Arofanina
Daty : 25/12/2015
Mpamangy : 1104
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA