TSY LAVITRA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY LAVITRA…

Ny vorona taitram-basy
Tsy mijanona tsy any Itasy
Fa ianao raha mifindra lasy
Tsy avelanay hangasihasy
Hovangianay matetitetika
Hotsidihinay mbetimbetika
Tsy avelanay hahatsiaro ho irery
Indrindra hoe tena very
Handefasanay hafatra eto
Raha mandeha ny aterineto
Hafana ny ONJAM-PITIA
Ampitain’ny teknolojia
Ka tsy lavitra ianao tsy akory
Toneo ny fo fa aza ory
Izahay eo aminao hatrany
Tsy mahalala izay lavi-tany

RFE Andria – 08 janoary 2015
--------
Lien:
Catégorie : Namana
681 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 09/02/2015 08:33
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148