TSY NAMELA ANAO HO IRERY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NAMELA ANAO HO IRERY

Fony niantso ianao taloha
Tamy, tonga aho dia nifoha
Ka nanolo-tambitamby
Sy fitiava-manana amby

Miantso ianao ankehitriny
Tsy hafa aho, toy ny fahiny
Avy hatrany dia mamaly
Sy miezaka hampifaly

Ampitso ianao raha hiantso ahy
Tsy misy tokony hampanahy
Izaho hanoina foana hatrany
Tsy sakan’ny elanelan-tany

Tsy namela anao ho irery
Tsy mamela anao ho irery
Tsy hamela anao ho irery
K’aza mihevitra sao very

Rfe Andria – 26/08/14
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
903 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 08:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157