VAVAKA VAO MARAINA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA VAO MARAINA

Andriamanitra ô !
Raha mivavaka aho izao
Dia tsy ho ahy fa fantatrao
Ilay Malalako izay
No tiako ho entina eto indray
Ry Rainay be famindram-po
Ny helony avelao tokoa
Aza avelanao ho lavo
Fa asandrato ho amin’ny avo
Mba tsinjovinao ny diany
Tovy re ny faniriany
Fenoy koa ny hafaliany
Dia arovinao ireo tiany
Ny fiainan’olany vahao
Raha toa ka sitrakao
Dia ampaherezo hatrany
Raha ny fahasalamany
Ny fahasoavanao rehetra
Omeo azy tsy voafetra
Ary ny fitahianao
No ho aminy hatrizao
Dera, saotra anie ho Anao
Fa mpamaly vavaka Ianao!

RFE Andria – 04/08/14
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
2420 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 11/02/2015 16:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0368