VOALOHANY MANESO (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOALOHANY MANESO

Laharana voalohany hono ianao ry taniko
Ka nahoana no nigogo izany tomaniko
Ny foko oriory, novesaran’alahelo
Ny an-dohako avy no nijojo sy nanelo?

Hay moa ka voalohany avy amin’ny farany
Voalohany maneso raha jerena ny anarany
Voalohany tsy azo iravahana toa haingo
Satria ny tena dikany: ianao no gida maimbo

Nahoana loatra re no dia nidiran-doza
Izato ianao ry taniko, nanao diam-poza?
Ny safidy ve no ratsy sa dia izay no anjara?
Ny ho avy no hanambara, ny tantara no hitsara

Nefa anie ianao ka tany be harena
Saingy vitsy olomanga, indrisy, mahonena
Fa ny mpitondra anao dia ny hameno paosy
No tena nimasoany, ka ianao no maosimaosy

Indrisy re ry taniko, mba voalohany ihany
Saingy dia maneso ireo nandatsaka ny rany
Soa ihany toa kodia ny fiainana eto an-tany
Mivadibadika eny: ny ambony mbola ho ambany

Ry vahoaka Malagasy, makà lesona amin’izay
Ny manindroa, manintelo no tsy atao fa mba fay
Raiso an-tànana ny ho avy, mazotoa koa miasa
Miezaha fa angamba hitsimbadika ny rasa…

Tsiky Arofanina – 06/09/2015
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
822 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 06/09/2015 15:59
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148