TSY IANAO MIHINTSY - RIJADOLLY
Azo vakiana?
TSY IANAO MIHINTSY
Tsy ianao mihintsy ny hamafa ny lotoko
Ny lotoko izay mivanditra ny endriko
Fa kosa, hanambany ahy fa tompoko
Ka hanome setriny tsy mendrika
Tsy ianao mihintsy ny hanao azafady
Ity olona mavomavo izay efa voafetsy
Fa kosa, handika mba angatak' ady
Ity olona osa, manomboka ho resy
Tsy ianao mihintsy ny hamaly ny arahaba
Na handray ity tanana izay mitaraina
Fa kosa, hijery ity haratsian-damba
Izay madiva ho rovitra manaraka ny aina
Tsy ianao mihintsy ny hamonotena
Hampiakatra ahy tsy osaosa
Fa kosa, tsy maintsy hanandra-tena
Mba hanjaka sy tsy voaosiosy
Tsy ianao mihintsy ry SARANGA
Ny hiova ka ho lasa fitoviana
Fa kosa, tsy maintsy mampitranga
Ilay elanelana mahatonga fahoriana
DOLLY ( 2006 )
Mombamomba
Mpanoratra : RIJADOLLY
Nampiditra : rijadollyDaty : 03/04/2011
Mpamangy : 1607
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY ASAN' NY TANAKOFANDAHARANAO
NY LAMBA TAFIAKO
RY FANKAM-PANAHIKO
TANINDRAZAKO
RENY MOMBA
HO AN' I NENY (2)
HO AN' I NENY (1)
NOMENAO
FANDEFERANA