Any ianao... (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofiko izany izaho
namihna anao
kanefa toa ho nofy ihany
raha amin'izao fotoana izao

Any manko ianao
asa!mety manadino ahy
na tsy te-ahatsiaro
izay rehetra momba ahy

Izaho irery sisa no mamisavisa
sy any mitanisa ireo lasa 'tsika
toa mahatsiaro very sy manirery
fa any mantsy ianao,lasa sy mandao

Ny eriteritro no alefa mba hiantefa
andeha haminany
izay ataonao any ho any
ny eriteritro adala
izay minia tsy te-ahalala
fa any ianao,efa manana malala

Fa any manko ianao
amin'zao fotoana izao
mikatsaka sy mitady
fiainana vaovao

Any ianao ...
mety ahita olona vaovao
fa ny any ambarako anao
tsy misy ny toa AHY sy IANAO

(01-02-11)
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1149 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0247