FIHAONANA (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nidobodoboka ny fo
lasa very saina koa
fa tonga ilay andro
izay hihaona ntsika roa

Asa ianao raha ahoana
fa raha izaho aloha
dia tena lasa ambiroa
hoe : hihaona tokoa

Taona maro izay no lasa
niresahana nifampitafa
dia nihaona tokoa
tsy nisy nifampihafahafa
toy ny efa ela nifankahita
nefa sary no niampita

Andro iray tsy ho adinoina
ilay ora sy fotoana
fa tena mendrika ho tsaroana
tsy ho lefin'ny taona

Inoako fa tsy ho tsapanao
ny ao anatiko ao
toy ny tsy ahafantarako
ny tena ao am-ponao

Ampy ho fifaliana ho ahy
ny nahita anao mivantana
hiezaka aho ny tsy hanahy
fa ao ny Tompo no hitantana

Hanome saina sy fanahy
ary hitarika ny dia
hiaro @ fakam-panahy
ka mba hahay hifankatia

Tsy azon'ny saina ho vinavinaina
fa notahin'i Tompo ka velon'aina
d indro fa nifankahita
ary nihaona ihany isika!

(29-11-10)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
789 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014