FIHONONANA (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro any
dia ahita ianao
ahita olona vaovao
amin'izay fotoana izay
ho tadidinao
fa nisy olona iray
natositosikao

Asa!nahoana loatra lahy
ity foko dia sahisahy
toa tsy mety fa mitraotra
malahelo sy mahatsiahy
mitambolona fahatsiarovana
ary mila ho torovana

Soa fa nisy ilay Nahary
ampitony saina tsy harary
Izy no any itokiko
fa hampitony ny fahoriako
sy ilay faniriana tsy ho tanteraka
iazy mila hampandreraka

Ny Tompo irery ihany
no inoako avy hatrany
fa hanome fihononana
hanasitrana ny fery
tsy ahatsiarovako ho irery

Aleo apetrako ny peniko
ary atsahatro eto ny teniko
fa ny foko izay mitempo
angamba kosa tsy ho ekeko
raha toa avelanao
ka hangina @ 'zao
FA ALEO IZY HITEMPO,HITEMPO HO ANAO

(11-01-2011)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
975 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0245