IANAO MANONTOLO (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tananao malefaka
toy ny tanan-jazakely
tsy tiako amihin'olon-kafa
hafa tsy izaho irery

Ilay masonao,baliaka
manintona,manaitra
tsy sahiko jerena
fa tô ho fanina aho jambena

Ny feonao malefaka
mahababo fo tokoa
satriko ho heno foana
na matory na mifoha

Ny endrikao tsy lazaina
toy ny masoandro vao maraina
ny tsikinao sariaka
mamelombelon'aina

Ny bikanao tena kanto
toa tsy mana-paharoa
'zato fandeha milantolanto
tena lafatra tokoa!

Ho fehin'izy rehetra!
fitia tsy mana-petra
tiako,tiako daholo
ny aminao manontolo

(09-02-2011)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1072 1
Mpakafy: fitahina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0348