ILAY SARY (Rina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nisy fanomezana
natolotro an-tsitrapo
aza dia ihomehezana
fa tena vokatry ny fo

Aza ny hakeliny no jerena
fa izaho nanaja ny teny nomena
na kely na lehibe
mba raiso re

Tsy mba fombako ny mandefa sary
kanefa izao hitanao miharihary
fa nalefako izy iny
ka aza dia asiana tsiny

Ekeko mety ho kely loatra
fa tsy azo atao lehibe koa
sao... ny fonao mitraotra
ka ho lasalasa ambiroa

Mety tsy ahavita izay atao
ka ho lasa saina lava izao
mahita ity sary fotsiny ihany
tsy mba hita mivantana fa mananihany

Ka tehirizo ary!
fa iny ilay sary
ataonao fahatsiarovana
ho jerena raha torovana

(V.01-04-06)
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
969 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151