Lazao (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ny miteny
hanambara ombieny,ombieny
fa ny fitiavana dia tsara
ho an'ireo 'zay tsy mahalala


Ambarao!Dradradradrao
fa na izaho na ianao
eny isika rehetra izao
dia nomen'Andriamanitra fitiavana
ka tokony hahay hiavana


Na i dada na i neny
na ry zoky na ry zandry
eny!ny mpianakavy
dia tokony ahitana daholo
ilay fitia voakolokolo


Ka na tafiotra mamely
tsy hampihontsona velively
ilay tokantrano ho lasa paradisa
ho lavitry ny disadisa


(14-02-11)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
904 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0277