Naleoko (Rina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Naleoko ho amin'izao
nihaino ny feonao
fa toa ilay fihaonan-tsika
no nampisy disadisa

Naleoko tsy nahita anao
fa nijanona amin'zao
mba ho ny antso 'tsika
no hampita vaovao

Naleoko nionona tamin'zao
nijery ilay sarinao
fa rehefa nifankahita
dia nitsahatra hatreo
ilay fifandraisan-tsika

Na serasera an-tsoratra
na an-tariby
dia nitsahatra hatreo
tsy nisy intsony akia!

Naleoko nieritreritra
sy namisavisa fotsiny ihany
ary koa mba naminany
izay mety ho bika
na ny firafitr'endrin-tsika

Naleoko ihany amin'izao
nitia mangina anao
ka tsy nahalala
izay ho bikabikanao

(21-01-11
25-01-11)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
893 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1303